Ny taona 1978 no nisian’ny fifanarahana laharana faha-151 eo anivon’ny OIT (Organisation Internationale du Travail) mikasika ireo fifandraisan’ny asa ao anatin’ny asam-panjakana na ny zo sendikaly.
Nanatontosa atrikasa fijerena ny tontolon’io fifanekena io rahateo ireo sendikan’ny fonksionera sy ny filankevitry ambonin’ny asam-panjakana ny alakamisy teo. Nisongadina tao anatin’ny ady hevitr’ireo mpizaika ny fametrahana amin’ny toerany ny hasina miaraka amin’ny fahafahana sy fahaiza-manaon’ny sendikalista Malagasy. Nitovy fijery ny rehetra ny amin’ny maha fanoitra ny sendikan’ny mpiasa amin’ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana. Teboka lehibe indrindra ny fiarovana ireo zo samihafa hananan’ny mpiasam-bahoaka. Tanjona lavitra ezaka ny famoahana fehin-kevitra iombonana ho tonga volavolan-dalàna hodinihana eny anivon’ny andrim-panjakana mpanao lalàna. Andraikitra takian’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny Asa amin’ny fanjakana Malagasy moa ny famadihana ho lalàna velona eto Madagasikara ity resaka goavana manodidina zo sendikaly efa novoizin’izao tontolo izao tao anatin’ny 40 taona izao, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Lalàna sy Asam-panjakana Randriamanantena Christophe.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.