Zazavavy vao 12 taona monja no hita faty teny amin’ny ranon’Ikopa ny 8 desambra lasa teo. Rehefa natao ny fanadihadiana dia naolan’ny dadatoany no nahafaty ity zazavavy kely ity.
Araka ny loharanom-baovao marim-pototra, dia nalain’ny rahavavin-dreniny hatory tany aminy ity zazavavy kely ity ny 4 desambra. Antony dia satria nisy olona teraka tao amin’ny fianakavian’izy ireo. Ny alin’io anefa dia notairin’ny filan-dratsiny ka nijoko sy nanolana ity zazavavy kely ity tao amin’ny efitra fatoriany ny vadin’ny rahavavin-dreniny. Rehefa izany dia nanezaka nihiaka niantso vonjeo ilay zanak’olona ka dia nirongatra ny habibian’ilay raim-pianakaviana ka avy hatrany dia novonoiny ho faty ilay zaza. Taorian’izay dia notetehiny sy nataony tanatina gony ary dia natsipiny tery amin’ny ranon’Ikopa tery. Difotry ny fisahontahontan’ny hadalany angamba anefa ilay rangahy ka dia adinony fa ny zanany 8 taona izay niara-natory tamin’ilay zazavavy kely dia nanatri-maso ny zava-drehetra vitany teo ary dia anisan’ireo vavolombelona tamin’ny zava-nitranga. Omaly maraina moa no saika hisambotra ity lehilahy ity teny Anosibe ny avy eo anivon’ny borigady misahana ny heloka bevava saingy voatery nitifitra ilay nahavanon-doza izy ireo noho ity farany nikasa handositra.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.