Actualités

Zazavavy 10 taona, naolana tovolahy 17 taona Simba tanteraka ny taovam-pananahany


  • Alatsinainy 06 Oktobra 2014

Tsy ny an-tanàn-dehibe ihany no ahitana ny fanolanana zaza tsy ampy taona fa saika manerana ireo kaominina any Taolagnaro

. Zazavavy kely iray13 taona no nanamparan’ny tovolahy ny herisetram-pilana ara-nofo ny zoma 26 septambra teo tao Tsiharoa kaominina Mahatalaky. Mpiasa amin'ny ONG iray ilay tovolahy nahavanon-doza, ilay vavikely kosa mbola mianatra. Mikaroka azy ny mpitandro ny filaminana amin'izao fotoana. Tsy mifanalavitra amin’izay koa no nitranga tao amin ny tanàna iray atao hoe Talakifeno ao amin'ny kaominina Ifarantsa. Tovovavy kely iray hafa sahabo ho 10 taona no naolan'ny tovolahy 17 taona ny 17 septambra teo. Marihina fa fomban’ny any ambanivolo ny milalao diavolana  amin’ny mandoliny ( kabosy). Tamin'io fotoana io no nanararaotan’ilay tovolahy nanamparany ny filan-dratsiny. Notereny sy nampitahoriny hovonoina ilay zaza raha milaza amin'ny reniny. Tambitamby no nahafantarana ny nahazo azy. Rehefa natao ny fitilian'ny zandary dia voaporofo fa nisy nanolana ary simba ny taovam-pananahany. Taorian'ny famotorana nataon’ny mpitandro ny filaminana dia  niaiky ny heloka vitany izy ary nampidirina any am-ponja avy hatrany miandry ny fotoam-pitsarana azy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT