Midanika ny hafanana, omaly tafakatra 35° ny maripana tao Toliara. Betsaka ny ankizy sy ireo marefo ara-batana sy ara-pahasalamana no tsy mahatanty izany. Zazavavikely iray vao dimy taona monja narary efa ho herinandro no maty vokatry ny fiakaran’ny tosi-drŕ, afak’omaly. Somary nanaitra ihany ny vaovao, satria ny ankamaroan’ny olona dia mieritreritra fa aretin’ny olona efa nahazo taona ihany ny fiakaran’ny tosi-drŕ. Raha ny fanazavan’ny mpitsabo anefa dia tsy mifidy saranga na taona ity aretina ity. Hatramin’ny ankizy telo taona tratrany.
Aretin’ny mahantra
Nanamafy ity dokotera ity fa anisan’ny aretina mpahazo ny olona amin’izao fotoana izao ny fiakaran’ny tosidra, ary saika miompana amin’io aretina io avokoa ny ankamaroan’ireo olona marary sy manatona hopitaly, satria tsy misy famantarana na soritr’aretina mazava ety ivelany, fa rehefa miombo tsikelikely sy tafiakatra amin’ny dingana ambonimbony ny tosidra vao fantatra. Ny vahaolana, hoy ity mpitsabo ity, dia ny manatona hatrany ny tobim-pahasalamana raha vantany vao mahatsiaro hafahafa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.