Nampivarahontsana ny mponina tao amin’ny fokontany Fiofio ny fahitana zazarano tokony ho roa volana, lahy kely
, hita tao anatin’ny tatatra ny sabotsy maraina teo. Olona avy nanary fako no nahatsikaritra ny razana tao anaty harona miloko mainty efa feno lalitra. Rehefa nojerena dia efa lanin’ny alika ny lohany. Araka ny fanadihadiana, nalevina tsy lavitra io tatatra io ilay razana ary natao marivo tototra. Ny fizahana nataon’ny mpitsabo no nahafantarana fa mbola misy ra tazana teny amin’ny vatan’ilay zazalahy maty. Teo ihany dia nandray ny andraikiny ny fokontany Fiofio ny amin’ny fandevenana ny razana. Mateti-piseho eto Mahajanga ny famonoana zaza tsy manan-tsiny tahak’izao. Efa misokatra ny fanadihadiana mikasika ity raharaha ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.