Actualités

Zazarano hita tao anaty tatatra Efa lanin’ny alika ny lohany


  • Alatsinainy 06 Oktobra 2014

Nampivarahontsana ny mponina tao amin’ny fokontany Fiofio ny fahitana zazarano tokony ho roa volana, lahy kely, hita tao anatin’ny tatatra ny sabotsy maraina teo.

Olona avy nanary fako no nahatsikaritra ny razana tao anaty harona miloko mainty efa feno lalitra. Rehefa nojerena dia efa lanin’ny alika ny lohany. Araka ny fanadihadiana, nalevina tsy lavitra io tatatra io ilay razana ary natao marivo tototra. Ny fizahana nataon’ny mpitsabo no nahafantarana fa mbola misy ra tazana teny amin’ny vatan’ilay zazalahy maty. Teo ihany dia nandray ny andraikiny ny fokontany Fiofio ny amin’ny fandevenana ny razana. Mateti-piseho eto Mahajanga ny famonoana zaza tsy manan-tsiny tahak’izao. Efa misokatra ny fanadihadiana mikasika ity raharaha ity.

                                                                                                                                 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT