Actualités

ZAZALAHY 6 TAONA Maty voahitsaky ny taksibe


  • Talata 02 Desambra 2014

Tsy tonga teny amin’ny hopitaly akory ity zazalahy tokony ho 6 taona voahitsaky ny taksibe zotra faha-4 mankeny Tsararano ny zoma hariva teo dia maty.

Avy nianatra izy no niampita ny arabe ka tsy tazan’ilay mpamily. Takon’ny sampanan-dalana rahateo ilay zaza ka izay no nahatonga ny loza. Vokany, voadona teo amin’ny lohany ary naratra koa ny tongony sy ny tanany. Nentina teny amin’ny tombim-pahasalamana ihany saingy tsy tana ny ainy noho ny ratra nahazo azy. Matetika no ahitana lozam-pifamoivoizana ny lalana mihazo an’i Tsararano mandalo ny doany Miarinarivo iny. Tokony hapetraka ihany ny takela-pamantarana ny zavatra mety hiseho mialoha ny hiviliana mba ialana amin’ny loza mety hiseho. Ny mpamily koa tsy tokony handeha mafy rehefa mivily amin’ireny sampanan-dalana ireny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT