Nandriaka ny ra teny Anjanahary omaly alahady tolakandro. Taksibe roa nifanenjika no nitera-doza teo amin’ny lala-miakatra,
mialoha ny hahatongavana amin’ny toby mpaninjara solika Galana. Araka ny fitantaran’ny nanatri-maso dia nifampisongona ny taksibe, ny lalana tery nefa tsy nifandefitra. Zazalahikely tsy ampy taona lavo tamin’ny tany, ary notetezin’ny kodiarana anoloana sy aorian’ny taksibe iray, zotra 186. Vaky ny lohany ary nipotsaka ny atidohany. Nanapa-dalana tampoka no nahavoa ilay zaza, hoy ny sasany, voafaoka teny amin’ny sisin-dalana, hoy indray ny hafa. Maty tsy tra-drano ilay zaza. Nitsoaka avy hatrany ny mpamily taorian’ny loza, mety natahotra ny hatezeram-bahoaka. Nahitana dian-kodiaran’ilay taksibe lavalava ihany teo amin’ny arabe vokatry ny fandehanana mafy. Tapaka nandritra ny fotoana naharitra ny fifamoivoizana tamin’iny lalana iny. Fanirian’ny mponina manodidina ny hametrahana « casseur de vitesse » amin’iny faritra Anjanahary iny, hifehezana ny hafainganam-pandehan’ny fiara, satria matetika no isehoan’ny lozam-pifamoivoizana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.