Actualités

Zaza very tany Andilamena Tafody any Vakinankaratra


  • Zoma 10 Oktobra 2014

Tafody soa aman-tsara any Vakinankaratra amin’izao fotoana ireo zaza efatra mianadahy tsy hita tany amin’ny Distrikan’Andilamamena ny volana jolay lasa teo rehefa nanjavona nandritra ny 20 andro mahery. Nila ravinahitra tany Andilamena ireto fianakaviana ireto.

Tao Mandritsara Betafo no fiaviany. Nihady vato ny fiveloman’izy ireo izay tezain’ny raibeny fa efa maty ny reniny. Ny alin’ny 04 Jolay dia notafihan’ny jiolahy izy ireo, izay noheverina fa dahalo kanjo dia ny zaza efatra sy ny renibeny ary tovolahy 16 taona no nalain’ireo jiolahy an-keriny ka nanjavona. Afaka telo andro dia tafaporitsaka ilay zazalahy 16 taona sy ny reniny fa ireo kilonga tavela tany amin’ireo mpaka an-keriny. Fitahian’Andriamanitra angamba fa dia tafaporitsaka tao amin’ny nanafenana azy ny zandriny indrindra 4 taona ka nitady sakafo tamin’izay olona hitany ary nentin’ireo tany amin’ny toeram-pitsaboana sy ny mpitandro filaminana. Nahoraka nony avy eo fa hita ny iray tamin’ireo zaza efatra. Tonga koa ireo mpaka an-keriny miisa roa mba hijery. Tadidin’ilay zazalahy 16 taona anefa ny endriny ka natorony ny mpitandro filaminana. Taorian’ny fanadihadiana natao ireo jiolahy no nahitana ireo zaza telo ambiny, izay tafaveina tamin’ny rainy ihany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT