Araka ny tarehimarika nivoaka farany ny taona 2015 dia tsy ampy lanja avokoa ny 20 %-n’ireo zaza vao teraka manerana ny Nosy, izany hoe latsaky ny 2kg sy 500
. Antony mahatonga izany ny fihanaky ny aretina. Eo ihany koa ny tsy fahampian-tsakafo nahazo ilay renim-pianakaviana nandritra ny fotoana nitondrany vohoka ary fahatelo ny asa mafy, tranga izay mbola azo sorohina avokoa. Tsy voatery ho amin’ny alalan’ny fanafanana (couveuse) ihany anefa no hahafahana manavotra azy ireny. Raha araka ny fanazavan-dRanjanoro Elodie, mpitsabo mpampiofana momba ny fanaovana bebe kangourou mantsy dia ireo manampahaizana nanamboatra ny “couveuse” ihany no nahita sy nilaza fa anisan’ny tena vahaolana mahomby ho an’ireo zaza tsy ampy lanja ny hafanana avy amin’ny hoditry ny reniny na ilay antsoina hoe : bebe kangourou. Toraka izany ihany ny fanalana tahotra ny zaza noho ny fahatsapany ny fitempon’ny fon-dreniny. Hampiharina eny anivon’ireo hopitalim-panjakana maro eto amintsika toy ny ao amin’ny CHD Itaosy sy ny sampandraharaha misahana ny zaza ao amin’ny CHU Befelatanana izany manomboka izao, ivontoerana vao notokanana tamim-pomba ofisialy omaly avokoa. Ny 20 %-n’ireo tobim-pitsaboana miankina amin’ny fanjakana miisa 2700 manerana ny Nosy ihany mantsy no manana “couveuse” hatreto. Ny fikambanana ara-tsosialy “Orange Solidarité” sy ny “Compassion Madagascar” no angady nananana sy vy nahitana izany. Toerana efatra moa no nametrahana ity ivontoerana ity izay mitentina 80 tapitrisa, anisany i Toamasina sy Fianarantsoa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.