Ny zanaky ny mananontena no tena maro amin’ireo zaza tsy tafiditra an-tsekoly raha ny nambaran’ny fikambanana MI.FA.MA (Miasa ho Fampandrosoana an’i Madagasikara).
Tsapa hoy ny filohan’ny fikambanana Atoa Rafalimanana Pierre Fidélis fa maro ny endriky ny olana sedrain’ny fiarahamonina Malagasy kanefa ny fanabeazana no hita fa anisan’ny fanoitra voalohany hoenti-miatrika izany. Raha ny fanadihadiana nataon’izy ireo mantsy dia hita fa ny 60% amin’ireo zaza eny amin’ny fokontany sy faritra sahirana dia hita fa tsy tafiditra an-tsekoly avokoa. Araka izany dia nataon’izy ireo ho laharam-pahamehana ny fandraisana an-tanana ireny zaza ireny ary Fokontany sy Kaominina maro no efa miara-miasa amin’ny fikambanana dia ny eto Antananarivo Renivohitra, Tanjombato ary Andohoranofotsy ka noraisina an-tanana avokoa ny fisoratana anarana, fampitaovana ary ny fanaraha-maso ny fivoaran’ireo zaza amin’ny fianarany. Nilaza ireto fikambanana ireto fa dia miainga amin’ny herin’ny tenan’izy ireo manokana ny fanaovana izao asa izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.