Actualités

Zaza tsy ampy taona miasa Miisa 2 tapitrisa eto Madagasikara


  • Alatsinainy 18 Aprily 2016

Tsy ho tratran’ny firenena Malagasy ny tanjona fanafoanana ireo ankizy miasa amin’ity taona 2016 ity. Mbola 2 tapitrisa mahery mantsy hatreto ireo zaza tsy ampy taona mikarama eto Madagasikara.

 

 Hita eo amin’ny sehatra toekarena avokoa ny 28%-n’izy ireo izay manodidina ny 5 hatramin’ny 17 taona. Miasa eny anivon’ny tontolo ambanivohitra mamboly sy miompy ihany koa ny 31%. Nitombo hatrany amin’ny 20% ny tahan’ireo zazalahy miasa. Nilatsaka hatrany amin’ny 15% kosa ny salan’isan’ireo zazavavy Malagasy mikarama. Tsara ny mampahatsiahy fa nanasonia ny fifanarahana laharana 138-n’ny Fikambanana iraisampirenena momba ny asa mamaritra ny fetra taona handaozana ny sekoly sy ny fifanarahana laharana 182 mikasika ireo programa nasionaly manafoana ireo karazana asa ratsy ho an’ny ankizy i Madagasikara. Mazava torak’izany ny Lalàmpanorenana mivoy ny Fanabeazana ho an’ny daholobe. Natokana ho andro manerantany hiadiana amin’ny fampiasana ny ankizy ny 16 aprily hatramin’ny taona 1995. Tsy nisy moa ny fanamarihana manokana ho antsika teto Madagasikara.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT