Mbola vao 54 isa monja ireo zaza ôtista fantatr’ireo fikambanana miisa dimy mandray an-tanana izany eto amintsika. Antony, betsaka amin’ny Malagasy no tsy mahalala ny toe-batan’ny zaza ôtista raha menatra ihany koa ny fianakaviana sasany ka manafina izany any an-tokantranony.
Vokany, mbola tsy manana salan’isa mahakasika ireo zaza voan’ny ôtisma mihitsy isika eto Madagasikara ary tsy mbola manana manampahaizana afaka mamaritra ny antony mahatonga ny zaza ho ôtista ihany koa sy ny fahafantarana hoe : manaranaka ve izy na tsia ? Ny hany fantatra, hoy ireo fikambanana miasa sy misehatra amin’izany dia zaza iray amin’ny 150 isa maneran-tany no voan’izy io. Notsindrian’izy ireo fa tsy aretina ny ôtisma fa toe-batana. Fomba hahalalana azy ny fahafahan’ilay zaza miteny fa tsy mamaly resaka, ny famerimberenany fihetsika iray misesy ankoatra ny fitokanany monina rehefa miaraka amin’ny olona maro. Eo amin’ny fahavalo volan’ny zaza no tena ahitana taratra ireo izay ilana fanabeazana manokana mihitsy raha tiana hivoatra ny toe-piainany. Hankalazaina ny anio zoma 01 Aprily sy rahampitso sabotsy 02 Aprily ny andro maneran-tany ho fampahafantarana ny ôtista. Hetsika marolafy no entina hanamarihana izany toy ny fandrehetana jiro manga amina toerana maro toy ny Ekar Faravohitra, ny garan’i Soarano…ao anatin’ilay lohahevitra hoe : mahafantatra ary mandray andraikitra ho an’ny ôtisma.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.