Actualités

Zaza 6 taona naolan’ny dadatoany Simba tanteraka, nitory ny reniny


  • Alarobia 26 Novambra 2014

Ankizivavy mpianatra vao enin-taona monja, kilasy T1, no naolan’ny dadatoany izay 25 taona, ny alahady antoandro teo, tokony ho tamin’ny 11 ora, tao amin’ny fokontany Ambohitsabo Toliara

Raha ny fanazavana azo dia simba tanteraka ity ankizivavy ity vokatry ny fanolanana nihatra taminy. Tsy nanaiky ny herisetra sy fomba mamohehatra natao tamin-janany ny reniny, ka nitory na dia niezaka nitady marimaritra iraisana tamin’ny alalan’ny raharaham-pihavanana ny fianakavian’ilay nanolana izay zandriny faralahy. Mbola tazonina eny amin’ny mpitandro filaminana ilay mpanolana amin’izao fotoana. Matetika amin’ny tranga toy izao ao Toliara ao sy ny manodidina, dia vitavita foana amin’ny « kabary ambany kily » sy manome vola raharaha fanolanana zaza tsy ampy taona toy izao, ka manjaka sy mahazo laka ireo tsy maty manota. Mampalahelo fa lasa entam-barotra hitadiavan-karena sy ivelomana ny ankizy mbola manta. Tongo-bakivaky, sady maharary no mahamenatra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT