Actualités

Zaza 3 volana novonoina Nariana teny ambany tetezana


  • Alatsinainy 19 Oktobra 2015

Habibiana tsy roa aman-tany no nitranga tao Tanamakoa, tao ambany tetezana fandehanan’ny olona maro. Zazarano lahikely efa notaizana 3 volana, araka ny fahitan’ny mpitsabo nijery azy, no hita nifono tao anaty harona “sachet”.

 


 

 Raha ny fanadihadiana nataon’ny mpitsabo, dia niniana novonoina izy io satria nahitana faritra mangana ny tendany, nisy lavaka ny lohany ary nivoaka ra ny vavany. Ny tsikaritry ny mpitsabo ihany koa dia misy fahasembanana ny ratsam-batany, izany hoe fohy tsy amin’ny tokony ho izy ny tanany sy ny tongony. Ho an’ny mpitsabo nanadihady ny razana, dia ny alin’ny alakamisy no namonoana azy ity ary vao maraina be no nariana. Ireo ankizy nandalo mitazana tao ambany tetezana no nahita ilay “sachet”, raha eo am-panilihana ny tao anatiny ireo akohon’ny mponina manodidina ny lakan-dranon’i pangalana mivoaka eny amoron-dranomasin’ny hopitaly be. Efa nijery ny zava-nisy koa ny polisy siantifika sy ny polisy misahana ny zaza. Mandeha ny fanadihadiana.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT