Mavesatra ny rivotra iainana, mangirifiry ny maso, marary ny loha. Io no zavatra tsapan’ny olona maro teto Antananarivo sy ny manodidina omaly alahady. Nanjavona tanteraka ny tanàna, niova ho mena hatramin’ny masoandro tamin’ny fiafaran’ny tolakandro.
Nandeha ny resaka fa fambara zavatra indray angamba io na tena ho raikitra mihitsy ilay hoe farandro. Rehefa natao anefa ny fanadihadiana dia misy fanazavana ara-teknika sy ara-tsiantifika tsara ity tranga ity. Setroka no nahatonga io zavona andro antoandro io. Setroka avy amin’ny doro tanety, ny fahandroana biriky, ny avy amin’ny fiarakodia sy ireo orinasa maro be eto Antananarivo, ary ny setroka isan-tokantrano noho ny fampiasana kitay na saribao. Ny setroka no mahatonga ny andro ho mafana sy manevokevoka, hoy ny teknisianina momba ny toetr’andro ary mitarika ihany koa ny fihafanan’ny tany sy ny fiovaovan’ny toetr’andro. Tsy misy afa-tsy ny fampihenana ny doro tanety sy ny setroka ary ny fampitomboana ny faritra misy zava-maitso no vahaolana. Miteraka olana ara-pahasalamana ny fahalotoan’ny tontolo iainana vokatry ny setroka ka tokony samy hitandrina sy handray fepetra ny tsirairay.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.