Ankoatra ny paoma, ny voasary dia efa nahavitana ranom-boankazo ihany koa ny voaloboka eto amintsika.
Fangatahana avy amin’ny mpanjifa izany, ranom-boankazo vokarin’ny orinasa Star. Raha ny fantatra dia hatramin’ny taona 1974 dia tsy nitsahatra nikaroka tsiro hafa sy miavaka entina hanomezana fahafaham-po ireo mpanjifany ny orinasa Star. Nikaroka hevitra hatrany izy ka ny voaloboka no hitan’izy ireo fa mety sady mahasalamana. Toeram-pivarotana miisa 13.000 no efa ahitana ny fanta raisin ankehitriny manerana ny Nosy raha nanomboka ny 07 janoary lasa teo kosa ny fanaparitahana azy. Misy ny fanentanana maro samihafa hataon’ny orinasa Star entina hampahafantarana ity zava-pisotro vita amin’ny voaloboka ity, raha 3.800 Ar kosa no vidiny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.