Manomboka mahazo vahana eto amintsika ny zava-pisotro manitra voankazo.
Anisan’ireny ny gold amigo mena izay vokatra vaovao be eto Madagasikara niparitaka nanomboka omaly alatsinainy 19 novambra. Ny hahafahana manome fahafaham-po hatrany ny mpanjifa no tanjona, indrindra ho an’ireo tanora sy mpinamana mifampitaona matetika. Ilay zava-maniry antsoina hoe : “guarana” avy any Brezila no nahafahana namoaka ny lokon’ny gold amigo ho mena hotronin’ilay fofona hafakely aminy. Faritany telo no efa ahitana azy ity ankehitriny dia ny eto Antananarivo, Antsirabe, ny ao Toamasina ary ny any Mahajanga. Tsiahivina fa efa 28 taona izay no nisian’ny marika gold teto amintsika. Roa kosa hatreto ireo vokatra vaovao efa novokarina avy aminy ka anisan’ireny ny gold amigo red.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.