Nampivarahontsana ny nahita ny zava-nisy tao Mahajanga omaly maraina. Natsipin’ny rano nihoatra ny “bord” izay vita rarivato ireo vato mavesatra milahadahatra amin’iny sisin-dranomasina akaikin’ny Baobab iny.
Tena zakan’ny onjan-dranomasina mihitsy ireo vato noheverina fa tokony hahatohitra izany. Ny rarivato tsy naninona fa ireo vato lehibe nilahatra iantefan’ny ranomasina no nisy voatsipin’ny rano, ary tafahoatra ny rarivato ny haavon’ny ranomasina, ka niditra an-tanàna sy naha dobo ny faritra iva maro ao an-drenivohitr’i Boeny. Mampahatsiahy ny zava-doza nitranga ny sabotsy 16 febroary 1991, hoy ny fanamarihana. Tamin’izany no nisy tranga mitovitovy tamin’izao ary nisy ny olona lasan’ny rano sy tsy hita popoka. 28 taona aty aoriana, miseho ny tranga mitovitovy amin’izay teto amintsika. Niato ny fampianarana tao anatin'ny DREN Boeny omaly noho ny haratsin'ny toetr'andro sy ny fiakaran'ny rano. Raha ny toetr’andro amin’ny ankapobeny, nambaran’ny sampandraharaha mpamantatra ny toetr’andro fa nivadika any akaikin'i Maintirano ilay andian-drahona matevina nitondra orambe tamin'iny faritra Avaratra sy Andrefana rehetra iny. Hanohy ny diany an-dranomasina ao amin'ny lakandranon'i Mozambika indray izy ka hanamorona ny morontsiraka Atsimo Andrefan'i Madagasikara. Hahazo hery izy noho ny ranomasina mafana handalovany ka mety hivadika rivodoza anio alarobia. Ny Talio no mandrafitra ny mety ho toetry ny andro eto Madagasikara. Ho an’ny anio maraina dia oram-baratra hanamarika ny toetr’andro any amin’ny Morontsirak’i DIANA, Sofia, Boeny, Betsiboka, Melaky, Menabe, Atsimo Andrefana raha ny tombantomban’ny sampandraharaha mpamantatra ny toetr’andro. Hanorana ny morontsirak’i SAVA. Tombanana ho maina kosa ny andro ho an’ny Atitanin'i DIANA, SAVA, ny ilany atsinanan'i Sofia, Analanjirofo, Toamasina. Hanjombona mety harahin’orana ny faritra sisa. Ho an’ny hariva kosa dia mety hanoram-baratra betsaka kokoa any Atsimo Andrefana, Androy. Oram-baratra no mety hamaritra ny toetr’andro ho an’ny faritra sisa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.