Misy mpagalatra voamaso any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy amin’izao raha ny vaovao mandeha. Vehivavy lehibe iray 60 taona no tsy nisy voamaso roa intsony rehefa avy naka kitay tany amin’ny fokontanin’Antseva, Toliara ny faran’ny herinandro teo.
Raha ny fitantaran’ity vehivavy lehibe ity dia nahita tovolahy iray sendra nandalo izy ka nantsoiny hanampy azy hibata ilay kitay. Rehefa nanatona azy anefa ilay tovolahy dia namoaka famaky ka namely azy tao amin’ny hatony. Taorian’izay dia nisy naman’ity tovolahy ity hafa tonga nanampy ka nandratra ny masony tamin’ilay famaky ihany koa mba hanesorana ny voamasony roa. Nilaza ho niantso vonjy mafy ity vehivavy lehibe ity saingy efa tafaporitsaka izy roalahy tsy mataho-tody ireto vao tonga ny fokonolona. Efa afaka ihany koa ilay maso roa teny aminy ka tsy nisy na inona na inona azo natao intsony. Niezaka ny nikaroka ny dian-tongotr’ireto olon-dratsy ihany koa anefa ny fokonolona saingy nihodinkondina tao an-tanana fotsiny ihany dia nijanona. Notsaboina teny amin’ny hopitaly be Toliara kosa ilay vehivavy lehibe. Raha ny fantatra dia noratrain’ireo mpangalatra voamaso ihany koa ny tendan’ity ramatoa lehibe ity. Tsy vao izao fa efa tranga fanintelony ity resaka halatra maso ity raha kely indrindra satria ny 25 janoary, dia tovolahy kely vao 14 taona, monina ao amin’ny tananan’i Belavenoky, kaomina Milenaky no hita teo an-tanimboly iray, ary efa nihosin-drà sy tsy nisy voamaso intsony. Ny faramparan’ny febroary ihany koa dia tovovavy 15 taona tratran’izany, ary io miverina io indray ankehitriny. Tsy fantatra mazava hatreto ny antony na resaka halatra taova hampiasaina amina olon-kafa mila izany na resaka fanamboarana ody gasy satria isan’ny toerana be dahalo any Atsimo, izay matetika izy ireny no mampiasa ody hiarovan-tena.Sa ve tena fanakorontanana saim-bahoaka no tanjona. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.