Actualités

Zatovo noroahina tsy ho miaramika “Nisy nampiasa antontan-taratasy hosoka”


  • Alakamisy 29 Aogositra 2019

Tsy namono olona, tsy nanary basy, tsy niray tsikombakomba tamin’ny dahalo, sns, nefa dia nahazo taratasy fandroahana izahay.

Araka ny fanazavan’izy ireo, dia efa niasa nandritry ny taona maro ireto miaramila ireto ary namita ny adidiny ihany koa tany amin’ny faritra mena sy mafana nisian’ny asan-dahalo. Vita anefa izay adidin’izy ireo izay, dia nahazo taratasy fandroahana avy hatrany izy ireo. Tsy hitan’izy ireo koa ny asa izay hatao, ankoatra ny amin’ny maha miaramila, ka mangataka amin’ny fitondrana foibe mba hijery akaiky izao olana sedrain’izy ireo izao satria fa manana adidy eo anivon’ny fianakaviana ary mamelom-bady aman-janaka ihany koa. Nilaza kosa ny etamazaoro jeneralin’ny tafika malagasy omaly, fa miisa 2.000 ireo zatovolahy noraisina ho miaramila raikitra eo anivon’ny tafika Malagasy tamin’ny fikarakarana farany natao teo raha niisa 12.000 ireo antontan-taratasy voaray. Ny nampalahelo anefa, maromaro  tamin’izy ireo no nampiasa antontan-taratasy hosoka, hoy ny fanazavana. Anisan’ireny ny kopia hosoka nentina nanenana taona izay nalaina tany amina kaominina ambanivohitra lavitra, raha nisy ihany koa ireo nitondra taratasy fiantsoana hosoka nandritra ny fandraisana azy ireny teny Ambatolaona, toerana hanaovany ny fiofanana. Nahatsiaro ho sahirana ireo tompon’andraikitra. Somary olana rahateo ary tsy mora ny manara-maso ny antontan-taratasin’ny tsirairay avy, antony tsy nahatrarana izany raha tsy efa teny amin’ny ivontoerana nanaovan’izy ireo ilay fiofanana ho miaramila raikitra. Nanambara moa ny teo anivon’ny tafika Malagasy fa  tsy hipetra-potsiny izy ireo fa hanenjika ireo mpanao hosoka araka ny lalàna velona, hanavahana ny vary amin’ny tsiparifary.

Pati sy Sitraka r.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT