Actualités

Zaridainan’Antaninarenina Hosaziana izay nivarotra azy


  • Alatsinainy 25 Febroary 2019

Nidina ifotony teny amin’ny zaridainan’Antaninarenina ilay toerana voalaza fa lasan’olon-tsotra tamin’ny taona 2018 ny minisitry ny fanajariana ny tany, ny fanamboaran-trano sy ny asa vaventy Atoa Hajo Andrianainarivelo ny sabotsy 23 febroary teo.

 Nambarany fa tsy azo ekena intsony ny fangoronana tanim-panjakana ataona olon-tsotra tahaka ny zaridainan’Antaninarenina sy ny namany. Hisokatra ny fanadihadiana izay hiainga eny anivon’ny kaominina. Tsy hisy ho afa-maina izay rehetra tadifitra ao fa hosaziana avokoa. Raha araka ny tantara, tsenan’Anjoma ny zaridainan’Antaninarenina tamin’ny faha- Mpanjaka. Nafindra teny Analakely tamin’ny andron-dRadama I. Tsy mbola nisy tompony io zaridainan’Antaninarenina io fa kianjam-bahoaka azon’ny rehetra nampiasaina, raha ny fanazavana. Tamin’ny taona 1998 anefa dia nisy olon-tsotra nilaza fa tompon’ny tany ary niakatra teny anivon’ny fitsarana mihitsy ny raharaha. Ny 04 oktobra taona 2018 dia nivoaka ny didy nanome rariny ireo nilaza fa tompony ary mbola mijanona ho azy ny tany mandraka ankehitriny, raha ny fanazavana nataona mpanao gazety iray. Ankoatra ity zaridainan’Antaninarenina ity dia toerana maro eto an-drenivohitra no fantatra fa hojeren’ny minisitra akaiky ny momba azy mba hivoahan’ny tena marina rehetra. Miantso ny vahoaka ihany koa ny tenany hifanome tanana amin’ny fanjakana hamongorana ireo fanetriben’ny firenena.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT