Ho fampiroboroboana ny zaridainan’Andohalo dia hanaovana hetsika isam-bolana ny eny an-toerana manomboka izao. Nanomboka ny volana septambra lasa teo no nanatanterahana izany tao anatin’ilay hetsika Haify mampihavana
. Mitohy amin’ilay “vide grenier et solidarité” izay karakarain’ny fikambanan’ireo mpandraharaha eny Andohalo miaraka amin’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra izany, hetsika nosokafana omaly, haharitra efatra andro. Zavatra maro loha no hita eny an-toerana manomboka amin’ny akanjo ka hatramin’ny fanaka izay azo hatao fanomezana tsara. Ho an’ny Confiserie de Noe izay mandray anjara amin’ity hetsika ity, ohatra, dia anisan’ny mampiavaka azy ny fisian’ireo karazan’entana sarobidy marobe ankoatra ireo karazana vatomamy vita amin’ny voankazo maro samihafa nahafantarana azy hatramin’izay.Anisan’ireny ny haingon-trano vita amin’ny varahina, volafotsy…Ireo karazana vilany maro samihafa fampiasa ao an-dakozia raha eo ihany koa ireo karazana “collier” vita amin’ny akora maro samihafa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.