Actualités

Zarazarao hanjakana foana ve ?


  • Talata 08 Novambra 2016

Mitana ny sain’ny olona maro maneran-tany ny zava-misy any Etazonia amin’izao fotoana izao. Hotanterahina anio ny fifidianana filoham-pirenena izay tsy misy afa tsy kandida roa dia ny repoblikanina sy ny demokraty.


Ny eto amintsika ny vahoaka no tambazana vola aman-karena hanohana ny ny kandida iray fa ny an-dry zareo, izy ireo aza no manampy ara-bola ny kandida. Ny vahoaka mihitsy no mandray an-tanana ny tontolo politika sy ny hoavin’ny firenena fa tsy toy ny aty amintsika hoe atao fitaovana ny olona mba hahazoana seza. Eto amintsika kosa ny politika dia hafa mihitsy ny heviny. Ao ny milaza fa fametsifetsena sy fanambakana ny madinika sy hanaovana fitaovana azy ireo mba hahazoan’ny olona iray toeram-boninahitra sy seza. Efa zary tsy mahaliana ny olona intsony io resa-politika io ary misy mihitsy aza ny milaza fa resaka tsy hihinanan-kanina. Tsy mba zava-dehibe aminy ny fifidianana, hany ambany ny taham-pahavitrihana amin’ny fifidianana. Ny antoko politika eto amintsika efa an-jatony ary toa nofinofy ny ho firaisan-tsaina sy fifanatonana fa ny zarazarao hanjakana napetraky ny mpanjanaka no mbola hampanjakaina. Dia voazarazara tokoa ny Malagasy ka tsy misy intsony ny firaisan-tsaina mba hanarenana ny firenena. Ny soa fianatra ka aleo mba mijery ny an’ny hafa e !

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT