Actualités

Zandary tsy nanaja zon’olombelona Niditra an-tsehatra ny masoivoho iray


  • Talata 15 Oktobra 2019

Manoloana ny fihetsika tsy manara-dalàna, tsy manaja ny zon’olombelona,

 

 

 ary misy mamoafady ataon’ny zandary sasantsasany eny am-panatanterahana ny asany, dia nanao fanambarana hentitra ny eo anivon’ny fibaikoana ny zandarimaria tamin’ny alalan’ny komandy ambony Jeneraly Andrianjanaka Njatoharisoa omaly. Tsy handefitra velively amin’ny fihetsika tsy mendrika eny am-panatanterahana ny asa, tsy hiray tsikombakomba mihitsy na oviana na oviana amin’ireo mieritreritra ny tenany fa ambonin’ny lalàna.  Mandray andraikitra feno, mampanokatra fanadihadiana, ary manatitra ireny olona ireny eny amin’ny fitsarana amin’ny alalan’ny fanomezana fahazoan-dàlana manenjika na “autorisation de poursuite” ho an’ny fitsarana ny zandary, raha ny fanazavany. Nisy mantsy ny tatitra avy amina masoivoho iray eto amintsika nilaza fa nisy asa nataona zandary tsy manaja ny zon’olombelona. Hanokatra fanadihadiana ny zandary fa tsy hijanona fotsiny amin’izao, ka raha voaporofo fa tena nataon’ilay zandary ilay izy, dia handray andraikitra feno ny zandary. Avy tany Genève ihany koa dia naharaisana taratasy mahakasika ny tsy fanajana zon’olombelona, ka hanokafana fanadihadiana izany, hoy izy. Tsy hoe fitarainana fa tatitra ary matoa nanao izany, dia manameloka, hoy ny Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena. Nisafidy ny tsy hanonana ny anaran’ilay masoivoho moa ny zandarimariam-pirenena. Raha tao anatin’ny asa araka ny tokony ho izy kosa dia anjaranay ny miaro ny zandary. Hatreto, niakatra ho 59 ireo zandary napetraka vonjimaika any am-ponja. 4 efa namoahana sazy noho ny resaka kolikoly, fikasihan-tànana ireo olona tazonina vonjimaika, firaisana tsikombakomba tamin’ny olon-dratsy,… Nahitana izany ny tany Mahajanga, Ambatofinandrahana, Betroka,… 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT