Actualités

Zandary sy polisy Ahiana hihamafy ny ady mangatsiaka


  • Alarobia 10 Aprily 2019

Taorian` ny tranga niseho tany Maroantsetra ny faran’ny heriandro lasa teo, dia ahiana hiverimberina ny olana raha mbola mitanila ny fandraisana fepetra.

 

 

  Izany hoe, raha mbola ho fisamborana vahoaka fa tsy fandraisana fepetra eo anivon` ny mpitandro filaminana toy ny tao Antsakabary izay nisamborana olona am-polony teo amin` ny vahoaka saingy toa tsapa ihany ny fitanilana tamin’ny fanapahan-kevitra noraisina. Manaraka izany ny faharatrana zanaka zandary ny iray tamin` ireo maty voatifitra tay Maroantsetra farany teo dia toa vao mainka hampitatra ny olana misy eo amin` ny roa tonta indrindra taorian` ireny fampisamborana teo amin`ny polisy sy zandary toy ny teny Andoharanofotsy sy tany Antalaha ireny. Manginy fotsiny moa ny fidiran` ny zandarimariam-pirenena amin` ny raharaha izay raha tokony ho izy dia an` ny polisy manokana. Raha tsiahivina, efa nisy ny fampihavanana ny foloalindahy tamin`ny andron` ny tetezamita mba hampilamina ny famahana ny saingy tsapa izao fa tsy vita hatramin’ny farany ary tsy mbola tena nandamin-javatra loatra izany. Efa matetika miseho ny ady mangatsiaka eo amin`ny Foloalindahy. Mahatsapa ho natao an-jorom-bala ny eo anivon’ny polisim-pirenena, raha toa ka nahazo avara-patana hatrany ny zandary raha ny fanadihadiana natao sy resaka nifanaovana tamina polisy am-perinasa. Efa tena antomotra ve ny gidragidra eo amin`ny mpitandro filaminana? Izay indray ny fanontaniana tsy afaka am-bavan` ny maro , zavatra izay tena mampivarahontsana satria ny samy manana basy izany no tsy mifankahazo !

Marigny A.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT