Efa tena isan’andro no hitrangana asan-dahalo any Miandrivazo, mitaintain-dava, mandry andriran’antsy ny mponina any an-toerana indrindra fa ireo any ambanivohitra ; ny tena loza anefa raha araka ny angom-baovao natao dia misy fotoana atena miady irery ny vahoaka ary tahaka ny hoe tsy misy mpitandro filaminana hiaro azy ireo any an-toerana.
Nisy tamin’izy ireo mponina any Miandrivazo ireo no nampitondra hafatra izay olona sendra azy ireo ary nilaza fa tena mijaly ny vahoaka any an-toerana noho ny asan-dahalo.Ny miaramila sy ny zandary, hoy ny tsiliantsofina re avy amin’ireo mponina any an-toerana ireto dia karamaina 1 300 000 Ariary ary mbola iantohana vary sy laoka vao mety miaro ny vahoaka sy ny fananany.Raha ity resaka ity izany no raisina dia ny mponina no manao tsipaipaika ka manome vola ireo mpitandro filaminana izay vao mety hanao ny asany izy ireo.Efa tena sahirana anefa ny mponina any Miandrivazo fa sady very ny omby, voaroba ny fananana no mbola tsy afaka mamokatra tsara eny an-tsaha koa noho ny afitsoky ny dahalo.Mahafantatra tsara io tranga io ny tompon’andraikim-panjakana any an-toerana raha araka ny resaka re ihany saingy tsy miteny , tsy mivolana ary tsy manao tatitra any amin’ny lehibeny koa izany.Antenaina fa hijery akaiky ity tranga any Miandrivazo ity ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny foloalindahy mba hahafantarana ny tena zava-misy marina satria efa tena diso tafahoatra kosa raha ny dahalo mandroba ary ny mpitandro filaminana tambazana vola sy sakafo vao mety hiaro vahoaka e!
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.