Efa notanana am-ponja avy hatrany ilay zandary nitifitra raim-pianakaviana iray vokatry ny hasarotam-piaro teny Ivato ny alin’ny 31 desambra 2019 teo araka ny fampitam-baovao eo anivon'ny zandarimariam-pirenena.
Efa misokatra ihany koa ny fanadihadihana momba ity raharaha ity ary tsy ekena mihitsy no sady manameloka ny fihetsika sy ny fihoaram-pefy tahaka itony hoy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria araka ny nambara omaly. Tsy misy ambonin’ny lalàna izany eto ary tsy maintsy saziana izay mandika izany hoy izy tetsy amin’ny hopitaly HJRA. Efa notanana am-ponja rahateo moa ilay zandary nahavanin-doza. Araka ny lalàna dia tsy manana alalana mitazona basy ireo zandary tsy amperinasa fa tokony hanatitra izany andakazery araka ny fanambarana. Ankoatr’izay dia miantso ny zandary rehetra hanaja ny fitsipika noho izany ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria indrindra ny mahakasika ny fihazonana basy. Nitsapa alahelo ary hanampy ireo fianakaviana mana-manjo noho ity raharaha ity tetsy amin’ny hopitaly HJRA moa ny fianakaviamben’ny zandarimariam-pirenena omaly maraina izay notarihan’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.