Tsy nahafaly ireo mpitandro ny filaminana, indrindra ny teo anivon’ny zandary Toamasina izay mitarika ny Emmo-Reg atsinanana, ny famoahan’ireo mpanao gazety hany sahy namoaka ilay vaovao fitarainana polisy iray miasa eo anivon’ny seranan-tsambo nodarohan’ireo zandary tao anatin’ny fiaran’ny Emmo-Securité tao Morafeno
Nisy ny fanambarana navoaka nentina nanehoana ny tsy fahafalian’izy ireo, ka nilazana indray fa mpandainga sy milaza vaovao tsy marina ary miteny vaovao mampiady ny samy mpitandro ny filaminana ny mpanao gazety. Nolazain’ilay fanambarana fa tsy olon-tokana no mpandray fanapahan-kevitra eo anivon’ny Emmo-Reg, araka ny lehibeny, ny Kly Justin Hary Manantsoa Lala Angelo, saingy tompo-marika amin’ny fitandroana ny filaminana ny vahoaka sy ny fananany izy ireo, izay atao ao anatin’ny fanajana ny zon’olombelona sy ny maha olona. Ankoatra izay, dia fantatra fa niditra tamin’ny famahana izao olana niseho teo amin’ny zandary sy ny polisy tao Toamasina izao ny tonia mpampanoa lalàna ambonin’ny fitsarana ambony Toamasina. Fantatra ihany koa izao fa hampiato ny fitoriana izay saika nataony ilay polisy voadaroka sy ny fianakaviany
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.