Actualités

Zandary maty voatapatapaka Mampiaka-peo ny fianakaviany


  • Talata 12 Aprily 2016

Mitaky ny hamoahana ny antony tena nahafatesan’ilay raim-pianakaviana zandary iray antsoina hoe : Mboazy Renera namoy ny ainy tao Fianarantsoa ny 24 janoary lasa teo ireo fianakaviany, tarihin’ny zokiny lahimatoa Andriamatoa Lercia.

 

Araka ny nambaran’izy ireo tamin’ny mpanao gazety omaly mantsy dia nolazaina fa voahitsaky ny fiara  no antony nahafaty  azy nefa  tsy notazonin’ny  mpitandro ny filaminana akory  ilay fiara nanitsaka azy.  Tsy hita ihany koa ilay mpamily nanao ny loza, tsy mbola nisy PV ihany koa  ny mahakasika azy. Ramatoa iray akaikin’ny fitondrana  malaza ao Fianarantsoa no voalaza fa tompon’ilay fiara nandona ny maty ary  tonga nanati-bola 2 tapitrisa Ar ho an’ny vadin’ny maty niampy 1 tapitrisa Ar ho an’ilay zandary iray namany nahita ny zava-nitranga ary dia niravona teo ny raharaha.  

Tsy ara-dalàna

Tsy ara-dalàna izany, hoy hatrany ny havan’ny maty. Ankoatra izay, mbola noterena hanao taratasy tsy ara-dalàna ihany koa ilay dokotera tao amin’ny hopitaly tao Fianarantsoa, rehefa nohadihadianay. Nilaza  ihany mantsy ity farany fa tsy hitany akory ilay razana saingy tsy maintsy nanambara izy fa nandalo tao aminy. Na izany aza, tsy nisy taratasy avy amin’ny dokotera ny razana raha saika hatao “autopsie” fa taratasy avy amin’ny kaominina sy ny haben’ny kesika nitondrana azy no nisy. Nohamafisin’Andriamatoa Lercia  fa goaka be ny tendan’ity raim-pianakaviana maty ity izay tsy navela nalana mihitsy ny tady namatotra ny lohany raha tsy noteren’ireo fianakaviany satria tsy mety amin’ny fomban-drazany,  tapatapaka ihany koa ny tongotra aman-tanany, raha mbola nodorana ihany koa ny findainy. Manao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, araka izany, izy ireo mba hijery akaiky ny raharaha.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT