Ny zandary prinsipaly kilasy voalohany Mananjara Joelison, indray no namoy ny ainy teo am-perinasa tsy fantatra intsony hoe faha firy tao anatin’ny firy volana izay.
Ny alakamisy 14 aprily 2016 teo izy no maty voatifitra tany Mandabe, Andohan’Ilakaka, distrikan’i Ihosy raha iny handeha hamita iraka nampanaovin’ny lehiben’ny Fampanoavan’ny fitsarana tao Ihosy iny. Voairaka hisambotra olona ny adjida Joelison ka io olona saika hosamborina io ihany no nitifitra ka nahafaty azy ary nandratra zandary hafa ihany koa. Manoloana izany tranga izany dia tsy hay ny hangina ka mba tairina ny sain’ny mpitondra fanjakana sy ny lehiben’ny zandary fa misesisesy loatra ny fahafatesan’ny mpitandro ny filaminana malagasy. Marina fa natao ho faty ho an’ny tanindrazana izy ireny saingy sao dia mba misy zavatra tokony hojerena ihany. Misy ny lesoka matoa tonga izao fahafatesana am-perinasa mitombo isa be izao. Ny fiofanana ve no tsy ampy sa ny fitaovana omena ireo mpitandro ny filaminantsika no tsizarizary ka maharesy tondromaso azy ireo amin’ny fanatontosana ny asany. Nandeha be ny resaka risoriso amin’ny fampidirana mpianatra zandary na polisy ka sao mba dieny any am-piandohana dia tokony hatao tsara ny sivana ka izay tena tokony hahavita ny asa no tafavoaka. Sao mba tokony hojerena koa ny mari-karama ho fampirisihana ireny mpitandro ny filaminana malagasy ireny mba hanao ny asany tsara ka tsy ho tratry ny kolikoly sy hiray tsikombakomba amin’ny olon-tsotra sanatria. Mpitandro ny filaminana 1 miandraikitra olona 3 000 izao no eto Madagasikara, araka ny antontan’isa farany.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.