Notontosaina nandritra ny dimy andro tsy miato, ny 7 ka hatramin’ny 11 novambra 2016 tao anatin’ny Distrikan’i Moramanga, ny fanazarantena arak’ady na ilay antsoina hoe :
”manoeuvre tactique sur terrain” mba ahafahan’ny mpiofana eo anivon’ny Sekoly ambonin’ny Zandarimariam-pirenena Moramanga hiatrika sy hisoroka avy hatrany ireo tranga mety ho fampihorohoroana sy halatra ataon’ny jiolahy na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra. Ireo mpiofana manamboninahitra 29°CPOS, 29°CFOR, ireo ho zandary prinsipaly ao amin’ny 29°SMP/BS1 ary zandary lahy sy vavy ao amin’ny andiany 9°CS1-CS2/INFO miaraka amin’ireo manamboninahitra mpampiofana ao amin’ny sekoly izay mitotaly 225 no niara-nanatontosa ity fanazarantena ity. Ny Kolonely Ramasitera Ny Haingo Zafinirina, Komandin’ny Sekoly ambonin’ny zandarimariam-pirenena no nitarika sy nandrindra ny sarin’ady ary ny Jeneraly Randrianarimanana Mosesy, Talen’ny fikarohana ny fandikan-dalàna eo anivon’ny fibaikoana ny zandarimariam-pirenana no nanome voninahitra ny famaranana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.