Vita soa tao anaty fanarahan-dalàna sy fangaraharana ny fifaninanana ho mpianatra zandary andiany faha-75, izay natao nanerana ny nosy isaky ny faritra nandritry ny andron'ny 23 sy 24 novambra 2019.
Naneho fisaorana ho an'ireo mpikarakara sy mpanara-maso ary ireo mpifaninana naneho firaisankina sy fandraisan'andraikitra ary fahamendrehana ny Jeneraly sekreteram-panjakàna eo anivon'ny minisiteran'ny fiarovam-pirenena miadidy ny Zandarimaria sy ny Jeneraly komandin'ny Zandarimariam-pirenena. Hanomboka tsy ho ela ny fitsaràna ireo fanadinana ary mbola mirary fiaraha-miasa sy fahamendrehana ary fahadiovam-piasa ho antsika rehetra. Tsy azo ekena ny risoriso sy kolikoly, hoy, izy ary ho henjana ny sazy ho an'izay tratra. Zandary 64 naiditra amponja noho ny fanaparam-pahefana tamin’ity 2019 ity. Ny zandary anefa dia olona tena mianatra lalàna, ka inona tsy ilaina ny fihoaram-pefy sy zandary migadra. Lasa mifanahantsahana amin'ny jiolahy satria efa zandary 4 isam-bolana izany no migadra. Hadalana faramparany nataona zandary ilay fitifirana vehivavy tany Ambohimahasoa, izay voalaza fa tanam-polo nampandoalihana tonga dia notifirina. Raharaha hafa ilay anjomara nataona masoivoho vahiny iray noho ny fahitany tsy fanajana zon’olombelona. Izany ve no mpitandro filaminana ? Tsy misy resaka etika sy fanajana soatoavina satria mitovy amin’ny olona tsy nianatra ihany ny zandary sasany, izay lasa fandoto iray tandroka. Miha tsy voafehy ny lalàna satria mety mahita ny tsy mety ataon'ny lehibeny, dia mba manao ny ataony. Taloha anefa reharehan'ny fiarahamonina sy ny fianakaviana ny lasa zandary noho ny fahaizana amam-pahalalana sy ny fahaiza-miaina ary ny fahalalam-pomba. Ankehitriny tena misy lasa jiolahy ny zandary.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.