Nitazona ny teny nomeny ny komandy ambonin’ny zandarimariam-pirenena Malagasy ny jeneraly Ramiandrisoa Jean de Dieu Daniel satria dia nankatoavin’ny filankev itry ny governemanta natao omaly ny fananganana rafita hiadiana amin’ny kolikoly eo anivon’ny zandarimariam-pirenena Malagasy
.Mampalaza ratsy ny zandarimariam-pirenena ny resaka kolikoly any ambanivohitra, eny amin’ny lalam-pirenena, ary amin’ny fandraisana ireo mpianatra ho zandary.Voakasik’izany hatramin’ny fampiakarana galona koa aza raha araka ny feo mandeha ; tafiditra ao anatin’ireo sampandraharaham-panjakana 5 sangany indrindra amin’ny fanaovana kolikoly ny zandarimariam-pirenena ary tena maro ny olona velon-taraina .Tsy azo ekena intsony ary tsy maintsy karohana ny hevitra hampihenana aloha ary hanafoanana mihitsy az any kolikoly ato aminay, hoy ny jeneraly Ramiandrisoa Jean de Dieu Daniel ; izy izay fantatray ny rehetra tsara fa masiaka sy hentitra momba io ady amin’ny kolikoly io.Fanamby napetrany io koa dia andrasan’ny rehetra ny ho fitohizan’ny ezaka, ary moa ve hahasahy hampiseho masoandro ireo olona manao kolikoly ao aminy tokoa ny zandary ka hanolotra azy ireny eo anivon’ny fitsarana.Sa ve sanatria ho avy ny kapa ranjo hatao amin’ity jeneraly ity noho izy sahy manova ny fomba amam-panao tsy mety nampanankarena ny sasany teo anivon’ny zandarimariam-pirenena Malagasy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.