Actualités

Zandarimariam-pirenena Hiezaka ny ho filamatra


  • Sabotsy 01 Aprily 2017

Hanamarika ny andron’ny zandarimariam-pirenena ny zandary Malagasy rahampitso alahady 2 aprily.

 Maro ny hetsika hataon’izy ireo hanamarihana izany manerana ny nosy. Anisan’ny himasoan’ny zandarimariam-pirenena ny ady amin’ny kolikoly ankehitriny, ka misy ny fampiasana ny fonon-tanana fotsy ho an’ireo miasa eny amin’ny lalam-pirenena. Nialoha izay, efa nisy ny hetsika ara-tsosialy nataon’ny zandary, ho an’ny teto Antananariivo manokana, ka zandary miisa 280 no efa nanatanteraka fanomezan-dra maimaimpoana. Nisy ihany koa ny fanadiovana faobe nataon’izy ireo omaly zoma 31 martsa maraina. Nanomboka tamin’ny 5 ora dia efa nanadio teny Ambohijatovo, Analakely sy Soarano izy ireo, izay niisa 237. Tanjona himasoan’ny zandarimariam-pirenena ny hahatonga azy ireo ho fitaratra sy filamatra eny anivon’ny fiarahamonina. Fihetsika mendrika sy tokony hotohizana izao ataon’ny zandary izao fa tsy mandalo fotsiny. Mety ho vahaolana mitondra mankany amin’ny fiverenan’ny fitokisan’ny vahoaka ny mpitandro ny filaminana ihany koa satria rehefa mahita ny olona fa mendrika sy lasa fitaratra ny mpitandro ny filaminana, dia miverina ho azy ny fitokisana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT