Actualités

Zandarimariam-pirenena Hiady mafy amin’ny kolikoly


  • Sabotsy 01 Oktobra 2016

Manamboninahitra 37 sy manamboninahitra lefitra 129 tao amin’ny zandarimariam-pirenena no ahiana tamina raharaha maloto tamin’ity taona 2016, araka ny fanambaran’ny Jeneraly Ramiandrisoa Jean de Dieu,

kaomandin’ny zandarimariam-pirenena omaly nandritra ny famaranana  ny fikaonan-dohan’ireo tompon’andraikitra ambonin’ny zandarimariam-pirenena notontosaina teny amin’ny Toby Ratsimandrava. Nivoitra  ny filazana fa manana olana eo amin’ny lafiny fitaovana ny zandary dia ny fitaovana hahafaha-mivezivezy sy ny fitaovam-pifandraisana. Nitatitra ny vokatra azon’ny zandary ho an’ny taona 2016 ihany koa izy ka nilazany fa nisy ny ezaka toy ny tsy fisian’ny resaka fanondranana andramena tamin’ity taona ity. Teo ihany koa ny fametrahana ny « Unité spéciale anti dahalo » mba hampandriana fahalemana ny any Atsimo. Vina amin’ny ho avy ny fampangaraharana ny fifaninanana handraisana ireo mpianatra ho zandary, ny ezaka goavana amin’ny ady amin’ny kolikoly ao anatin’ny zandarimariam-pirenena, ny fampitomboana ny traikefan’ny zandary mba tena ho olom-banona sy tompon’andraikitra tokoa izy ireo. Takiana amin’ireo niatrika ny fikaonan-doha ny hanomezany ohatra tsara ireo olom-peheziny. Mbola mila ezaka goavana ny zandarimaria eto amin’ny firenena noho ny antony maro toy ny fisian’ny kolikoly, ny fitondran-tena tsy mendrika ataon’ny zandary sasany.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT