Nanao fanambaram-pananana ny zandary miisa 1 530 nanomboka amin’ny grady GP2, ka hatramin’ireo tompon’andraikitra ambony avy amin’ny sampan’ny zandarimaria maromaro eto Antananarivo omaly.
Nitarika izany ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena Jeneraly Ramiandrisoa Jean de Dieu. Nahazo baiko amin’ny tokony hanaovana izany ihany koa ny any amin’ny faritra. Voasokajy ho mitana ny laharana voalohany amin’ny fanaovana kolikoly ny zandary. Nandritra ny fanambarana no nanazavan’ity tompon’andraikitra ity ny fanamby napetraky ny zandarimaria tamin’ny taona 2016, ka nilazany fa anisan’ny zava-dehibe ny fitantanana ny lafiny mahaolona ary tanjona ny ady amin’ny kolikoly tamin’ny fifaninanana hidirana ho zandary, ny resaka fisondrotana galona, ny momba ny famindran-toerana ary fiofanana toy ny fandefasana olona any ivelany. Mikasika manokana ny valin’ny fifaninanana hidirana ho zandary amin’ity taona ity, efa nivaly omaly ny dingana voalohany ary amin’ny 10 aprily no hanatanterahana ny dingana faharoa. Mikasika ny raharaha fitsaram-bahoaka tany Befandriana Avaratra kosa dia nilaza ny Jeneraly Ramiandrisoa Jean de Dieu fa ny polisim-pirenena no mandray an-tanana azy. Nanamafy izy fa fandikan-dalàna ny fanaovana fitsaram-bahoaka, ka tsy tokony handeferana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.