Actualités

Zanaky ny minisitry ny fanatanjahantena Maty notifirin’ny mpiambina azy


  • Zoma 24 Oktobra 2014

Nodimandry omaly ny zanaka faravavin’ny Minisitry ny Fanatanjahantena, Atoa Andriamosarisoa Jean Anicet, Andrianay Lovasoa Fenitriniaina no anarany ary 20 taona izy. Tany amin’ny fokontany atao hoe

Besoa any Ambalavao Tsienimparihy no nisehoan’ny loza. Raha araka ny fantatra dia  tifitra teo amin’ny lohany no nahafaty azy ka ny mpiambina azy ihany no nitifitra. Nodimandry moa ny rahalahin’ity Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena ity, ka izay no anton-dian’izy ireo any an-toerana. Niandry faty tany izy ireo, efa hatry ny alin’ny alarobia. Omaly tolakandro kosa dia tsikaritry ny olona niditra tao anatin’ny fiara 4x4, izay azy ireo, ity zanaky ny Minisitra ity, niaraka tamin’ilay mpiambina akaiky (garde du corps) azy, izay “Brigadier de police” avy any Ampasimanjeva Manakara no fiaviany. Tsy fantatra ny zava-niseho marina fa nirefora ny basy vao taitra ny rehetra, maty teo no ho eo ilay zanaka vavin’ny minisitra, voalaza kosa fa nitifi-tena rehefa avy namono nahafaty ilay tovovavy ilay mpiambina. Efatra mianadahy ny zanaky ny minisitra Andriamosarisoa Jean Anicet, ka ity namoy ny ainy omaly ity no faravavy, ary vao afaka fanadinana bakalorea tamin’ity taona ity moa izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT