Solontena roa, ny printsy Ralaizandry Honore Alexandre sy Randrianasoloniaina Jocelyn,
nalefan’ny vahoka any amin’ny distrikan’Ifanadiana sy ireo Ampanjakan’Antaretra, Andranomaitso, Ambodirafia, Androrangavola, Fenoarivo, Ambodiara, Antafotenina, Ifanadiana, Kelilalina, Ambohimanarivo, Tsaratanana, Maromena, Ambohimanga-Tsinjosarivo, Analamarina-Ambohimiera, Sahafitoroka, Andranofolahina-Ambalafasina, Vohitrarivo, Ranomafana, Soanierana, Vatofotsy ary Andemaka no tonga eto Iarivo mba hitondra ny fitarainana aty amin’ny fitondrana mahefa (filoham-pirenena, praiminisitra, filohan’ny Antenimierandoholona, ny Ceni ary ny Hcc) noho ny tsy rariny sy tsindrihazolena nahazo azy ireo nataon’ny kandidam-panjakana (IRD) tany amin’ity distrika ity nanombaka tamin’ny « pré-campagne » sy nandritra ny fampielezan-kevitra ary nandritra ny fifidianana solombavambahoaka tamin’ny 27 mey 2019 teo. Diso tafahoatra loatra, hoy izy ireo, ny fanodinkodinana ny safidim-bahoaka natao tany Ifanadiana ka tena malahelo ny vahoaka ary tsy tompon’andraikitra amin’izay mety hataon’izy ireo amin’izany izahay. Niharihary ny hala-bato nitranga tany amin’ity distrikanay ity, hoy izy ireo, ka efa nanaovanay fitarainana any amin’ny HCC. Tsotra ny anay : “rehefa mpangalatra, indrindra ny hala-bato, dia mendrika ny sazy sahaza azy”.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.