Actualités

Zanak’i Dada -MAGRO Hetsika goavana amin’ny 29 martsa


  • Alatsinainy 27 Martsa 2017

Nifamotoana nanomboka ny sabotsy 25 martsa 2017 teo indray teny amin’ny kianjan’ny Finoana Behoririka ireo mpanohana ny ara-dalŕna. Anton’ny fitakiana ny fanokafana ny radio sy televiziona MBS (Malagasy Broadcatsing System) amin’ny mpitondra fanjakana.

Nifamotoana nanomboka ny sabotsy 25 martsa 2017 teo indray teny amin’ny kianjan’ny Finoana Behoririka ireo mpanohana ny ara-dalàna. Anton’ny fitakiana ny fanokafana ny radio sy televiziona MBS (Malagasy Broadcatsing System) amin’ny mpitondra fanjakana. Fampanantenan’ny filohan’ny Repoblika Rajaonarimampianina Hery moa ny fampandehanana io haino aman-jery fananan’ny fianakaviana Ravalomanana io ho takalon’ny fampijanonana ny fihaonana isan-kerinandro eny amin’ny Magro. Nampitsahatra izany avy hatrany ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc rehefa nisy ny fifampiresahana mivantana sy mazava teo amin’ny roa tonta. Tsy nitana ny teny nomeny anefa hatreto ny filoham-pirenena sy ny minisitera mpiahy tompon’andraikitra voalohany misahana ny serasera. Tsy hijanona ny hetsika eny an-toerana raha tsy miverina mampita vaovao isan-tokantrano ny MBS, araka ny lahateny nifandimbiasana nandritra ity fihaonana santatra ny faran’ny herinandro lasa teo ity. Fotoana manaraka hifamotoanan’ny legalista hifampitam-baovao mivantana eny an-kianja kosa ny alarobia 29 martsa 2017, fahatsiarovana ny faha-70 taonan’ny tolom-panafahana tamin’ny taona 1947. Andrasana amin’io ihany koa i Marc Ravalomanana, filoha nasionalin’ny TIM izay inoana fa manan-kambara betsaka na momba ny raharaham-pirenena io na ny mahakasika ny diany tany Eoropa naharitra 2 herinandro.

2 taona lasa

Roa taona izay no tsy nisian’ny fihaonana teny an-kianjan’ny Magro intsony. Ny sabotsy 21 martsa 2015 ny filoha nasionalin’ny antoko Tiako I Madagasikara Ravalomanana Marc no nanambara ampahibemaso ny fijanonan’ny hetsika tamin’ireo mpiara-dia aminy. Roa taona lasa ihany koa no niandrasana ny sitrapon’ny fanjakana mahefa hanome alalana malalaka ny fisokafan’ny haino aman-jery MBS. Naharitra 6 taona maninjitra kosa ny hetsika fitakiana am-pilaminana nataon’ny mpanohana ny ara-dalàna nanohitra ny fanonganam-panjakana nitranga ny 21 martsa 2009 izay nampitolagaga izao tontolo izao. 

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT