Actualités

Zanadranavalona Hifidy birao vaovao amin’ny 26 aprily 2015


  • Alatsinainy 09 Febroary 2015

Aleo tara toa izay tsy misy. Na dia somary tara aza noho ny antony maro samihafa dia notanterahan’ny fikambanana Zanadravaolona teny amin'ny toeram-pialam-boly teny Bevalala ny alahady 8 febroary ihany ny fifampiarahabana nahatratry ny taona 2015

 

. Fifankahitana indray, firaisankina na fifankahalana sy fiaraha-nisakafo nomban-koran no nifamotoanana tamin’izany. Nampahatsiahivin’ny filohan’ny fikambanana, Ravelonarivo Alain Eddie tamin’ny kabarim-panokafana nataony teny an-toerana mba ho fantatr’ireo taranaka aty aoriana fa ilaina foana ny mahafantatra ny tantara niavian’ny tena sy ny fifikirana amin’ny fikambanana misy mba hanomelomamaso ny anaran-dRenibe sy hahatonga ny fikambanana ho velona sy miroborobo mandrakizay. Nambarany ihany koa moa teny Bevalala fa hisy ny fanaovana fifidianana hanavaozana ny birao mpitantantana ny fikambanana Zanadranavalona amin’ny 26 aprily ho avy izao satria efa tapitra tamin'ny faran'ny taona 2014 teo ny fe-potoam-piasan'ireo birao notantanany. Tsy maintsy havaozina, hoy izy, ny fanisana ireo mpikambana ka angatahana mba samy hanoratra anarana any amin’ny komity manokana tarihan’ny Andriana Robert Razafinavalona ny mpikambana rehetra ka ireo feno 18 taona ary mahaloa ny latsak'emboka (200Ar) ihany  no hahazo mifidy. Ny 26 martsa no hanatanterahana ny fivoriambe manaraka hanapahan ny fizotran’io fifidianana io. Ho an’ireo maniry hilatsaka ho fidiana kosa dia tsiahivina fa tsy maintsy terak'i Ranavalotsimitoviaminandriana, tsara fitondran-tena ary  feno 40 taona raha kely indrindra amin’ny andro firotsahany ho fidiana.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT