Tsy mitsaha-mivoatra ny tontolon’ny zaitra eto amintsika mba hahafahana manome lanja ny vita Malagasy.
Namoaka mpianatra matihanina miisa 130 indray ny ECCOVA (Ecole de Coupe et Couture Volana ) omaly, andiany faharoa sady farany amin’ity taona 2016 ity. Teny amin’ny Espace Fitsikiana Itaosy no nanatanterahana ny lanonana omaly narahin’ny fanolorana mari-boninahitra ho an’ireo mpampianatry ny ECCOVA eto Antananarivo miisa efatra. “Miakanjo tsara” andiany faha-23 no anarana nisaloran’izy ireo izay nambaran-dRazanamanalina Volana, filoha mpanorina ny ECCOVA fa nahazo mention tres bien sy assez bien avokoa ny ankamaroany nandritra ny fanadinana ara-panjakana notontosainy farany teo. Narahin’ny defilé de mode ny lanonana hetsika nentin’ireo mpianatra nanehoana ny asa tanany toy ny akanjo mariazy, ny akanjo fitondra manao fanatanjahantena, ny akanjo mariazy…
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.