Mpizaika manodidina ny 3500 no andrasana handray anjara amin’ny Zaikabe voalohany hataon’ny antoko HVM etsy amin’ny Futura Andranomena ny 19 sy 20 desambra ho avy izao
. Ny saran-dalana mandroso sy miverina mankaty Iarivo ihany no iantohan’ny foibe fa ankoatra izay dia mianto-tena ny rehetra. Olona 2 isaky ny distrika, 1 isaky ny kaominina ary 10 isaky ny Renivohi-paritany ireo. Nambaran’Atoa Rivo Rakotovao filohan’ity antoko ity fa tsy misy fizarazaram-bola ataon’ny Hvm, araka ny tsaho miely ankehitriny. Tsy hisy dahalo miova fo eny amin’ny Futura ary tsy hisy velively izany « requisition » mpiasam-panjakana na mpianatra izany fa hiasa sy hianatra tsara avokoa ireo amin’io andro io. Nasian’ireo mpitarika ny Hvm tsindrim-peo manokana ny amin’ny fihaonan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina tamin’ireo filoha teo aloha nitondra teto amintsika, ao anatin’izany ny filoha Marc Ravalomanana. Nambaran’izy ireo fa dingana mankany amin’ny fampihavanam-pirenena izany ary adidy tokony hataon’ny filoham-pirenena amin’ny maha raiamandrenin’ny firenena azy. Ny fanambarana ny votoatin’ny fihaonana kosa dia andraikitry ny filoha tanteraka no manao izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.