Actualités

Zahay tsy voaozona hahantra an !


  • Alatsinainy 18 Janoary 2016

Aty Andranomiady aty ny tenako ry Jean no manoratra ho anao. Efa tokony ho niakatra « ville » izaho io saingy mihitsoka amin’ny lalan-dratsy vokatry ny rotsak’orana aty, dia tavela ka naleoko aloha manoratra fa mba misy zavatra tsy aritro mihitsy e !


Tamin’ny radion’ny zafikeliko no nandrenesako ny teninareo milaza fa efa hatramin’ny taona 1990 i Madagasikara no voasokajy ho firenena mahantra. Sao dia firenena nampahantraina ry Jean no marimarina kokoa a ? Tena tsoriko fa nandratra sofina kosa aloha ny teninareo, ary mba nahatohina anay ihany ny fahasahiranareo nilaza an’izany an ! Voasokajy ho mahantra ahoana e ? Dia ny ran’ny ray aman-dreninay nanafaka an’ity tanindrazana ity teo ambany vahohon’ny mpanjanaka moa izany mba ahoana ? Dia ho sanatria verivery fotsiny amin’izao ve ? Manan-kasina aminay ireny fahafoizana aina sy ra latsaka ireny ry Jean ka tokony hiadanan’ny vahoaka Malagasy a.

Marco

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT