Teny amin’ny Magro Behoririka omaly no nanambaran’i Zafilahy Stanislas fa ny tanindrazana sy taranaka no tena itolomana, eny na miaraka amin-dRavalomanana aza. Mankany amin’ny fahombiazana ny ezaka fampihavanana ataon’ny FFKM, fiainam-baovao no tanjona, maro anefa ny mpanao politika tsy mankasitraka izany »
Tsy mazoto amin’ny fampihavanana izay hitarika filaminana eto ireo mpanao politika mahazo seza ka izany no mahatonga azy ireo manao fihetsiketsehana etsy sy eroa haminganana ny fampihavanam-pirenena. Ny FFKM no afaka mametraka fihavanana eto amin’ny firenena, hoy i Zafilahy Stanislas ary tsy fizarana seza izany satria efa io ny fanjakana misy ankehitriny. Sarotra ny lalana fa tsy maintsy irosoana ny fampihavanana, hoy izy . Ny faniriana dia Ravalomanana afaka, manao politika, mitondra ny traikefany amin’ny fanavotana ny firenena ary mipetraka ao Faravohitra. Efa mba nisy aloha ny dinika nataon’i Brian Currin sy ny filoha Ravalomanana ka ny antenaina dia ho tonga any amin’i Hery Rajaonarimampianina ny tatitra satria izy no namela ny fisian’ny dinika. Mahalala ny herin-dRavalomanana ny filoha am-perinasa ankehitriny ka tsy afaka hanao tsinontsinona azy, hoy izy namarana ny lahateniny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.