Nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly ary haharitra hateloana ilay foara lehibe antsoina hoe : “yefest “karakarain’ny Young Men’s Christian Association Madagascar ( YMCA) etsy
amin’ny garan’i Soarano Analakely. Tetikasa iray hiarahany amin’ny vondrona Eoropeanina izy io izay natao indrindra hanasongadinana ny zava-bitan’ireo tanora mpikambana ao aminy, hahafahana mitady lalam-barotra sy hampihaonana azy ireo amin’ireo mpisehatra rehetra manodidina ny fampandrosoana ny tontolon’ny tanora. Tranoheva am-polony no mandray anjara amin’izany ahitana ireo karazan’entana toy ny harona, ny satroka vita amin’ireo akora maro samihafa, ny biby fiompy toy ny ganagana, ny bitro, ireo karazam-pitaovana manaraka ny teknolojia…Ankoatra ireo dia hita ao an-toerana ihany koa ireo mpisehatra misahana ny fahasalaman’ny tanora mivantana toy ny Top réseau sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Tsara ny manamarika fa mankalaza ny faha-90 taona nijoroany teto Madagasikara ihany koa ny YMCA. Narahina fihaonam-be fanaon’ny mpikambana isaky ny efa-taona izany omaly, natrehin’ny minisitry ny tanora. Antom-pijoroan’ny fikambanana moa ny hanampiana ny tanora eo amin’ny sehatry ny fiharian-karena, ny hamolavola azy ireo ho olom-pirenena mahafantatra ny tokony hataony…Miisa 1.000 ny mpikambana ankehitriny, manenina faritra maro manerana ny Nosy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.