Hikarakara tsenaben’ny Noely hanampiana ireo vehivavy mananon-tena sy ankizy kamboty eto an-drenivohitra ny fikambanana Wednesday Morning Group. Andiany faha-55 izy ity izay
hotanterahina amin’ny alahady 25 novambra ho avy izao etsy amin’ny hotel Carlton Anosy, manomboka amin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 6 ora hariva. Tranoheva manodidina ny 60 isa no handray anjara amin’izany, hotronin’ireo mpanao asa tanana roa. Tafiditra ao ireo masoivoho maro samihafa eto amintsika izay handray anjara ihany koa, ahitana ny masoivohon’i Alemana, Corée atsimo, Inde, Japon, Indonezia, Thailande, Rosia, Malte, Sina. Nomarihin-dRtoa Marcelle Radilofe filohan’ny fikambanana fa hanome vola ny fikambanana ihany koa izy ireo amin’izay fanaovana asa soa izay. Fa ankoatra ireo dia hitondra ireo karazana kojakoja sy entana avy any an-tokantranony ihany koa ireo mpikambana eo anivon’ny WMG hamidiny havadika ho vola. Kojakoja mbola tsara avokoa izy ireo miaraka amin’ny kilalao ka izay vola azo avy amin’izany dia hatolotra madiodio ho an’ny fikambanana avokoa. Entina hanampiana ireo ankizy sahirana eto an-drenivohitra izay sahanin’ny fikambanana ny vola rehetra azo avy amin’izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.