Mandalo fahasahiranana ny Ambasadin’i Madagasikara ao amin’ny 2374 Massachusetts Ave NW, Washington, DC – Etazonia.
Araka ny fitarainan’ny Malagasy mpila ravinahitra any an-toerana dia misy fotoana sady tsy rano no tsy jiro ao an-toerana. Na ny mpiasa aza voalaza fa tsy mahazo ny karamany manontolo fa ampahany ihany, 60% eo. Misy amin’ireo mpiasa no voatery nifindra trano fonenana amin’izay mba moramora hofan-trano, ny hafa indray lasa nitady vadin’asa mba hahafahana miantoka ny filana andavanandro sy ny saram-pianaran’ny mpianatra. Misy Malagasy mila ravinahitra any Etazonia, tonga hanolo pasipaoro ao amin’ny ambasady, lasa miantoka ny kojakoja rehetra, toy ny taratasy, fa sonia fotsiny sisa no ataon-dry zareo ao amin’ny ambasady.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.