Depiote malagasy efatra dia Mamy Rabenirina (TIM), Gerry Randriambolaina (TIM), Constance Razafimily ( Leader Fanilo)
ary Jerry Hatrefindrazana (Indépendant) no mandray anjara amin’ny fivoriana fanao isan-taonan’ireo Parlemantera mikasika ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Tahirimbola Iraisam-pirenena, izay hifarana anio.
GOVERNEMANTA
Nandefa taratasy voasonia ny fametraham-pialany tsy ho praiminisitra lehiben’ny governemanta Atoa Ravelonarivo Jean, ny datin’ny 10 aprily 2016. “Noho ny tombontsoa ambonin’ny firenena” araka ny nambarany.
MORONDAVA
Nahazo fampitandremana avy amin’ny prefen’i Morondava ny Radio Fanasina, radion’ny katôlika, tamin’ny fanomezam-pitenenana ny mpihaino haneho hevitra, ka nanakianan’ireto farany ny Jirama sy ny mpitondra manolona ny olan’ny delestazy.
KRAOMA
Nandray karama omaly ireo mpiasa mpitrandraka kraoma fa ny ozinina mpamokatra kosa dia tsy mbola mihodina noho ny tsy fisian'ny solika entina miasa.
ANDOHANIMANDROSESA
Mandrahona ny hitokona indray ny mpampiasa lalana noho ny tsy fanombohan’ny asa fanamboarana, na misy fiarabe tazana eny an-toerana.
ANKATSO
Efa navotsotra avokoa ireo olona voasambotra teny Ambohipo ny zoma lasa teo nandritra ny hetsiky ny mpianatra manohitra ny fanorenan-trano ataon’olon-tsotra ao amin’ny faritry ny toeram-ponenan’ny mpianatra eny Ankatso.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.