Nisy nanapaka ary efa saika voabata ireo vy fiarovana ny mpandeha an-tongotra etsy Andohan’Ananalakely halina.
Soa ihany fa nahafantatra ara-potoana ny zava-misy ny avy ao amin’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra ka tonga teny an-toerana avy hatrany. Efa voatsofa ny vy, nadaraboka amin’ny tany ary raha ny fahitana azy dia miandry mangingina fotsiny sisa dia nobataina. Efa nahitana tranga tahaka izao ihany koa ny teny amin’ny tetezan’Ampasika izay lasa nihanjahanja mihitsy moa teo aloha teo, fa mba efa vita ireo arofanina amin’izao fotoana. Mandeha be ny tsenan’ny vy eto amintsika amin’izao fotoana ka tsy misalasala ireo mpanao afera maizina manimba ny fotodrafitrasa iombonana mba hahazoany vola.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.